Nisokatra indray ny 30 Aprily tao amin'ny tanànan'i Zigong, atsimo andrefan'i Shina, ny Fetiben'ny Jiro Dinôzôra Iraisam-pirenena faha-26 an'ny Zigong. Nampita ny fomban-drazana amin'ny fampisehoana jiro mandritra ny Fetiben'ny Lohataona avy amin'ny tarana-mpanjaka Tang (618-907) sy Ming (1368-1644) ny mponina eo an-toerana. Nantsoina hoe "fetiben'ny jiro tsara indrindra eran-tany" izy io.
Saingy noho ny fihanaky ny COVID-19, dia nahemotra ho amin'izao fotoana izao ny hetsika, izay mazàna atao mandritra ny fialan-tsasatry ny Fetiben'ny Lohataona.

Fotoana fandefasana: 18 Mey 2020