Jiro mihoatra ny 130 no narehitra tao amin'ny tanànan'i Zigong any Shina ho fankalazana ny taom-baovao sinoa araka ny volana. Jiro sinoa miloko marevaka an'arivony vita amin'ny vy sy landy, volotsangana, taratasy, tavoahangy fitaratra ary kojakoja fisakafoana vita amin'ny porselana no naseho. Hetsika lova ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana izany.
Satria ny taona vaovao dia ho taonan'ny kisoa, ny sasany amin'ireo jiro dia miendrika kisoa sariitatra. Misy ihany koa jiro goavambe miendrika zavamaneno nentim-paharazana "Bian Zhong".
Naseho tany amin'ny firenena sy faritra 60 ny jiro Zigong ary nahasarika mpitsidika maherin'ny 400 tapitrisa.
Fotoana fandefasana: 01 Martsa 2019