Nosokafana nanomboka ny 4 ka hatramin'ny 24 febroary tao amin'ny lapa Kalemegdan manan-tantara ao afovoan-tanànan'i Belgrade ny fampirantiana jiro nentim-paharazana sinoa voalohany, sary sokitra jiro miloko isan-karazany novolavolaina sy naorin'ireo mpanakanto sy mpanao asa tanana sinoa avy amin'ny Kolontsaina Haitiana, izay mampiseho ny endrika avy amin'ny angano sinoa, biby, voninkazo ary tranobe. Any Shina, ny Taonan'ny Kisoa dia maneho ny fandrosoana, ny fanambinana, ny fahafahana tsara ary ny fahombiazan'ny orinasa.
Fotoana fandefasana: 27 Febroary 2019